Skip to content

Latest commit

 

History

History
95 lines (54 loc) · 5.11 KB

ligne-commande.md

File metadata and controls

95 lines (54 loc) · 5.11 KB

Ny ligne de commandes

Iverenantsika kely ary ny ligne de commandes na interpreteur de commandes amin'ny ankapobeny. Rehefa manao commandes ianao, ohatra hoe pwd dia mahazo valiny eo ambany eo. Ny tena marina dia nanome baiko ny interpreteur de commandes ianao hoe "aiza ho aiza eo amin'ny arborescence-ny systèmes de fichiers no misy ahy izao" na koe hoe "ao anaty repertoire inona aho izao".

Sarotra ve ? Io re ilay antsoina hoe SHELL e !

Ny fampiasana ireo shell ireo no hojerentsika. [Marihina fa tsy dokam-barotra ho an'ny fivarotan-tsolika velively ity resaka ity 😒 ]

Ahoana moa izany ?

Rehefa mampiasa commandes iny ianao, eo amin'ny terminal izany dia toy izao ny endrikendriny :

prompt$commande [option(s)] [argument(s)]

Toy izao avokoa ny fomba fanoratra amin'ny ankapobeny ny commandes rehetra amin'ny terminal. Hazavaina tsirairay ireo

Ny shell aloha

Araky ny voalaza etsy ambony dia izy no manatanteraka ny baikonao. Maro isan-karazany anefa ny shell ary arakaraky ny distribution ampiasainao dia samy manana ny shell par défaut. Ireto kosa no fahitantsika matetika :

  • bourne shell (/bin/sh)
  • bourne shell again (/bin/bash)

Samy manana ny mahaizy azy anefa ireo shell rehetra misy (dash, ksh, zsh, tcsh, rbash, sns.) fa na izany aza ny fototra mitovy foana.

Ny "prompt"

Manana endrika isan-karazany izy io ary azonao configurer-na amin'izay itiavanao azy (mba tsy hampifangaro voraka ity tuto ity dia jerentsika amin'ny manaraka izay fanovana ny endriky ny prompt izay, miaraka amin'ny variables d'environnement angamba).

Raha ny machine ampiasaiko ato izao dia toy izao ny fisehony

niry@niry:~$

Raha hazavaina tsirairay ireo dia

nom d'utilisateur@nom du poste:repertoire courant$

Izany hoe :

  • nom d'utilisateur : niry
  • nom du poste : niry
  • repertoire courant : ~ (midika hoe repertoire personnel io symbole io eto)

Amin'ny ankapobeny (sy par défaut) io caractère farany io dia na $ na # (amin'ny ankapobeny hoy aho fa azo ovaina arak'izay itiavana azy koa io). Ny fanao mahazatra dia :

  • ny $ manambara fa utilisateur tsotra no hanao commande eo amin'io shell io
  • ny # manambara fa ny super utilisateur (ny faratampon'ny utilisateurs rehetra) no hanao commande eo amin'ny shell

Ao aoriana kely no hijerentsika amin'ny antsipirihiny izay resaka utilisateur izay fa eto dia tadidio fotsiny hoe misy karazany roa izany izy ireo, misy utilisateur tsotra misy super utilisateur.

Ny commande dia aorian'ny prompt no asiana azy. Tsy ianao no mi-taper ny prompt fa rehefa eo izy dia manambara izay fa miandry ny commande-nao ny shell. Raha mbola tsy misy prompt izany eo fa zavatra hafa, ohatra hoe

login:

dia tsy mbola afaka mampiditra commande ianao satria tsy mbola misy shell afaka hi-interpreter ny commande-nao akory eo.

Noho izany, raha mahita commande amin'ny Internet ianao ka manaraka izany dia izay aorian'ny prompt ihany re no taper-na.

Farany, ireto commandes ireto no ahalalanao hoe inona no shell ampiasainao (ataovy fotsiny aloha fa rehefa miresaka variables isika hazava bebe kokoa)

echo $0

na

echo $SHELL

Ny commande

Ny endiky ny commande dia efa hitantsika tato fa ireto misy fanazavana fanampiny :

  • ny commande dia manavaka casse izany hoe tsy mitovy ny pwd sy ny Pwd ary ny PWD. Rehefa minuscule dia minuscule, ny majuscule dia majuscule fa tsy azo afamadibadika
  • ny commande dia afaka mandeha amin'izao (tsy misy options tsy misy arguments), ohatra hoe ls
  • afaka misy option iray na maromaro [option(s)], ohatra hoe ls -l na ls -i -l na ls -ial
  • afaka misy argument iray na maromaro [argument(s)], ohatra hoe ls /dev
  • afaka sady misy option no misy argument, ohatra hoe ls -l /dev
  • ny espace dia TENA MISY DIKANY, io izany commande _ espace _ [options(s)] _ espace _ [argument(s)], izay ilay commande ka raha ls -al /dev no tianao atao dia tsy mety io raha ataonao ls-al_ /dev na ls_-a_/_dev

Reefa tianao ho fantatra ny mombamomba ilay commande (ny fampiasana azy ny options sy ny arguments) dia afaka mampiasa ny commande man ianao na commande --help

man nom_de_commande (Ohatra izany hoe man ls)

na

ls --help

Efa mitady ho grand 😄

Raha nahavita namaky hatreto ianao dia arahabaina fa kely sisa dia grand 👊 satria nahoana ? rehefa avy mi-taper commande izany dia mba afaka mamaky izay soratany eo :

  • raha miteny izy hoe misy olana ny commande (command not found na commande introuvable) dia mba efa mahatakatra izany hoe misy olana kely eo amin'ilay commande, na diso tsipelina ilay izy na lasa misy majuscule na ohatr'izany
  • raha option no resahiny (invalid option na option invalide) dia mba hamarinina hoe inona no voasoratra eo amin'ny option
  • raha argument no resahiny (no such file or directory) ohatra dia izay izany, tsy misy ilay argument resahinao

Dia izay indray aloha ...

Nosoratana ny volana novambra 2018 (aleo asiana daty satria mety misy zavatra tsy mitombina intsony ireo afaka volana maromaro ohatra)