Skip to content

Latest commit

 

History

History
32 lines (17 loc) · 2.31 KB

systeme-fichiers.md

File metadata and controls

32 lines (17 loc) · 2.31 KB

Ny système de fichiers

Tsy dia tena resaka théorie an'ny système de fichiers izy ity fa ny organisation misy @ système GNU/Linux fotsiny aloha.

Alefa !! 🐧

Fampahafanarana kely na izany aza

Ny système de fichiers na file system (ataontsika hoe FS manomboka eto) dia ny fomba fandaminana ny fichiers sy repertories ao anaty support (cd na dvd na disque dur na usbdisk sy ny sisa). Fandaminana ahoana moa izany ? Io izany no mamaritra hoe aiza ho aiza ao anatin'io support io ilay fichier na ilay repertoire, io no mamaritra hoe iza no repertoire parent ary aiza ho aiza ao anaty arborescence ilay fichier na repertoire iray 😟 ...

Efa haintsika fa miendrika arboresence ny fipiriman'ny fichiers. Ohatra hoe ao anaty disque misy repertoire BON dia avy eo misy sous repertoire CODES dia ao anatin'io misy fichier hoe test.cpp, ary dia ohatr'izany hatrany. Ka ny FS dia index kely ao anaty support iray mandamina an'izay arborescence izay. Mety mazavazaka kely kosa amin'izay e ?

Tohizana ary ... io FS io (io index kely io) dia misy isaky ny support SY isaky ny partition ary mety ho samihafa ny firafiny (format-ny izany na ny structure-ny mety foana izay fomba ahazahoanareo azy). Ireo karazany ireo le henonareo isan'andro ireny hoe FAT, VFAT, NTFS, HPFS, sns. Aty amin'ny tontolon'ny GNU/Linux dia mahare isika ny EXT2, EXT3, EXT4, ReiserFS, sns. Maro tsy tambo isaina ireo ary samy manana ny mahaizy azy ka tsy mbola eto amin'ity pejy ity no hanaovantsika fampitahana momba izany, tadidio fotsiny fa raha Ubuntu ohatra no ampiasaina dia EXT4 no FS par défaut ao.

Averina kely, isaky ny support SY isaky ny partition iray dia misy FS. Raha ampitahaina dia isaky ny mahita io FS io ohatra ny système d'exploitation Microsoft Windows dia manisy racine iray : C:\ na D:\ na E:\ na F:. Ny GNU/Linux kosa dia racine iray ihany na firy na firy isan'ny FS hitany ao, "/" io racine io.

Raha iverenantsika ilay ohatra tetsy ambony, ny chemin na path ho an'ilay fichier test.cpp izany dia /BON/CODES/test.cpp

Ny File hierarchy stadard

⛏️

Ny chemin absolu sy relatif

⛏️

Fivezivezena ao anaty arborescence

⛏️

Nosoratana ny volana novambra 2018 (aleo asiana daty satria mety misy zavatra tsy mitombina intsony ireo afaka volana maromaro ohatra)