Skip to content

Latest commit

 

History

History
36 lines (17 loc) · 1.71 KB

gestion-utilisateur.md

File metadata and controls

36 lines (17 loc) · 1.71 KB

Andao isika hanampy utilisateur iray anatin'ny pc anao

Aleo zandrikely = lita mba ampidirintsika ao koa 😃 tsy zandrikely le eritretin'ny gasy io a ! , ndao ary!!!

Rehefa mampiditra utilisateur dia misy command useradd ny add dia midika fa ampio+ izany hoe ampio an'ilay user manaraka eto command iray ligne dia ahafahanao manampy utilisateur.

1- useradd lita izay dia vita 😃 ny commande de base iaingana aloha useradd [options] identifiant

Rehefa mipetraka ilay utilisateur dia afaka ampianao mots de passe izy ,satria mety misy zavatra perso ao 😉 , toy ny teo aloha dia commande iray koa dia vita izany passwd user izany hoe :

2- passwd lita

Amin'ny sehatra hafa dia be dia be ny utilisateur gerenao , izany hoe mila atambatambatra anatin'ny groupe samy hafa izy ireo ahafahana manamora ny gestion an'izy ireny 😁 , ny famoronanana group dia toy ilay namorona user ihany groupadd groupe-name , inona moa ilay add nolazaina teny ambony ?

3 - groupadd anaran_ilay_group

Rehefa manana ilay groupe ianao dia azonao atao ny mampiditra utilisateur ao, fanamarihana , ny sudo ihany koa dia group 😯

Ny fampidirana utilisateur dia gpasswd -a user group izany hoe :

4- gpasswd -a lita anaran_ilay_group

Raha te hanala utilisateur anatin'ilay groupe ianao dia soloinao fotsiny ilay option -a teo aloha ho -d izay midika delete. *Matetika ny -a midika hoe manampy ny -d mamafa raha option ! * izany hoe :

5- gpasswd -d lita anaran_ilay_group

Raha ohatra ka hanala ny access an'ilay utilisateur ianao dia ny mifanohitra amin'ilay useradd no soratanao izany hoe userdel ny del izay midika ho mamafa userdel [option] user toy izao :

6- userdel -r lita

Amin'ny manaraka indray.